SportTatitra

Champions League : Chelsea no hifanandrina amin’i Manchester City amin’ny dingana famaranana

Nitovy ny tamin’ny dingana famaranana ny Champions League 2008 sy 2019 ny amin’ity taona ity, lasan’ny anglisy 100%. Tafakatra ho amin’ny dingana famaranana izay atao any Istanbul ny 29 may ho avy izao ny Chelsea FC rehefa avy nanintsana ny Real de Madrid tamin’ny isa 2-0 tamin’ny lalao miverina amin’ny lalao manasa-dalana ny alin’ny alarobia 05 may lasa teo tao Stamford Bridge. Ny Manchester City no ifanandrina amin’ny Chelsea amin’ny lalao famaranana any Istanbul. Nilaza ny fahamboniany raha mitaha amin’ny mpilalaon’ny Real de Madrid i Chelsea nandritra ny lalao nataon’izy ireo. Teo amin’ny faha 28 minitra no nampidiran’i Timo Werner ny baolina voalohany ho an’zareo Chelsea ary teo amin’ny faha 85 minitra no nampidiran’i Mason Mount ny baolina faharoa.

Laisser un commentaire