SocialTatitra

Colombie : Midina an-dalambe ny vahoaka

Nidina an-dalambe indray ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha Ivan Duque ny alarobia 5 may lasa teo. Nanomboka ny 28 aprily lasa teo ity fihetsiketsehana an-dalambe ity izay efa nahafatesana olona 24 tamin’izany ka polisy ny iray ary 850 kosa ireo naratra. Namoaka kosa i Temblor, izay fikambanana nandray ny fitarainan’ireo tra-boina na koa ireo vavombelona ny faran’ny tontolo andron’ny alarobia 5 may teo, fa 37 ireo maty. Voalaza ihany koa fa nisy ireo olona tsy hita ary koa nahitana trangana fanolanana nadritra ity fihetsiketsehana ity. Nisy horonantsary fohy nivoaka ny harivan’ny alarobia ihany naneho lehilahy roa mioson-dra teo amoron’arabe. Mbola nanohy nanameloka ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpampihorohoro an-dalambe izay manelingelina ny fifamoivoizana sy manakan-dalana anefa ny filoha Ivan Duque ary manery ireo mpitandro ny filaminana hiditra an-tsehatra.

Laisser un commentaire