Tsena 67HA: Mitombo hatrany ireo olona mivaro-pananana
Mipaka mivantana amin’ny vahoaka tokoa ny fahantrana ankehitriny noho ny olana haterak’ity valan’aretina COVID-19 ity. Tsy mifidy izay azo amidy intsony ny vahoaka mba hahazahoana vola. Nilaza ireo mpiantoka entana teny 67 Ha fa niakatra avo roa heny noho ny teo aloha ny isan’ireo mpivaro-pananana tonga eny an-toerana. Tsy mitsaha-mitombo ny olona mivarotra ny fananany eny ankehitriny. Alefan’izy ireo amin’ny vidiny mirary izany izay ahitana fanaka ao an-tokatrano sy ny fitaovana madinika. Olana ara-bola no tena antony hamarotan-ireo olona ireo ny fananany raha ny nambaran’ireo mpiantoka entana hatrany. Misy ny taratasy hifanaovan’ny mpivarotra sy ny mpividy mandritra izany mba ho tena ara-dalana ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta. Mila jerena akaiky araka izany ny sosialim-bahoaka mba hialàna amin’ny fivarota-pananana tahaka izao satria efa kely ny noharian’ny vahoaka ireto fananana ireto kanefa ho avadika vola hamidy sakafo indray.
Mampionontsoa Rajaonson
