SportTsidika

Mitondra ny sainam-pirenena Malagasy androany i Andriantsitohaina Eric amin’ny fanokafana ny Jeux Olympiques any Tokyo

Androany zoma 23 jolay no atao ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Jeux Olympiques”z any Tokyo. Manomboka amin’ny 2 ora eto Madagasikara izany.

Efa fanindroany izao no nandraisan’ity renivohitr’i Japon ity ny lalao olimpika taorian’ny andiany tamin’ny 1964. Handray anjara amin’izany isika eto Madagasikara ka i Andriantsitohaina Eric no hitondra ny sainam-pirenena Malagasy mandritra ny matso ataon’ireo atleta izay miisa 11 000 handray anjara amin’izao lalao izao. « Tsy misy mpijery mandritra ny fanokafana ity fa kosa nanasana ireo manam-boninahitra maro sy mpitondra isan-karazany izay efa solon-tenan’ny vahoaka any amin’ny firenena tsirairay » hoy ny mpikarakara ny hetsika.

« Efa azo lazaina ho vonona izahay mpilalao Malagasy ary mangataka fanohanana avy amin’ny Malagasy rehetra satria voninahim-pirenena no hoarovanay aty » hoy ity mpibata fonjam-by ity. « Na aty lavitra aty aza izahay mpankafy dia manohana ara-bavaka ho anareo hatrany ka mahavità soa ry Mpilalao Malagasy isany », hoy ny mpankafy.

Dingana lehibe tokoa ny tahaka izao ary tsy mitondra henatra ny firenena, dieny izao dia efa tokony hampiofanina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ireo zandry mpilalao sy manna-talenta amin’ny fanatanjahan-tena. Efa zava-dehibe izao fandraisana anjara izao ary manantena fa hitondra avo ny firenena tokoa izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire