ActualitésTsidika

Fanolorana tany ho an’ireo tanora ao Antsirabe

Efa manao izay azony atao ny fitondrana mba hitsinjovana ireo tanora, izay voalaza fa hoavin’ny firenena. Androany faha 4 may 2021 no notanterahin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Andranomanelatra Antsirabe ny titra fanolorana tany mirefy 133 Ha ho an’ireo tanora any an-toerana. Ao anatin’ilay fandaharan’asa « titre vert » moa izy ity, tetik’asa izay nanaovana antso ho an’ireo tanora vonona hiasa hamboly sy hiompy ka hotoloran’ny fanjakana tany. Niisa 500 ireo namaly ny antso tamin’izany saingy 133 ireo voaray, ka samy hahazo tany mirefy 1 Ha avy izy ireo ho ampiasainy amin’ny fambolena sy fiompiana miampy lelavola 38 tapitrisa ariary sy fitaovana ampiasaina. Efa nahazo fampiofanana mikasika ny fomba fitantanana, ny fandraharahana ary indrindra ny teknikam-pambolena sy fiompiana ireto tanora ireto vao izao hanomboka asa izao. Fiompiana sy fambolena, azo heverina fa hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara fa koa sady asa ho an’ireo tanora Malagasy. Rahoviana no hiparitaka manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara ity tetikasa ity ? Hitohy sa hijanona eo amin’ny fanolorana titra fotsiny ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire