Toe-karena: Fampiofanana mahakasika ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny “programme Harivola”
Hanolotra fampiofanana maimaim-poana ho an’ny faritra Alaotra Mangoro amin’ny alalan’ny Programme Miharivola ny ISSOF. Fiofanana mahakasika ny fanabeazana ara-bola izany hotanterahina izany. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ny mba hahafahan’ny olona rehetra tsy ankanavaka mahay mitantana ny vola rehetra miditra ao aminy.
“Io faritra Alaotra Mangoro dia i Moramanga sy Ambatondrazaka ary ireo tanànaa rehetra manodidina azy ireo no hanombohana ny fampiofanana fa hiparitaka manerana ny faritra hafa ihany koa izany. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny faritra Analamanga, Boeny, Bongolava, Itasy ary ihany koa Vakinankaratra. Anisan’ny tanjona iray tianay tratrarina ihany koa ny mahakasika ny hampitomboana ny vola miditra amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fahaizana mitantana”, hoy ny fanazavana avy amin’ireo mpikarakara.
Fampiofanana maimaim-poana indrindra ho an’ny tontolo ambany vohitrta no hezahina haparitaka satria samy manao ho zava-dehibe ny tontolon’ny vola ny olona tsirairay. “Mahafinaritra ny fandraisana an-tanana ny ekonomia Malagasy toy izao satria io ihany no antoky ny fampandrosoana sy ny fivoarana hatrany”, hoy i Olga, mpianatra mahakasika ny Fitantanana eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.
Haharitra 12 volana ny programme izay vinavinaina hahatratra olona miisa 21 641. Tsy hanavahana mpisitraka ity fampiofanana ity fa raisina avokoa na olom-pirenena tsotra, orinasa madinika na salantsalany na mpandraharaha amin’ny sehatra rehetra. Mifandraika amin’ny fampivoarana ny vola miditra, ny fampiasana ary ny fitantanana azy indrindra ny fiofanana ka iza moa no tsy mila izany. Haparitaka amin’ny haino ama-jery isan-karazany ihany koa ny fampiofanana.
Miora Raharisolo
