ActualitésTatitra

Seychelles : Roa volana ihany ny fotoam-panjonoana « langouste » amin’ny taona 2023

Roa volana ihany ny fotoam-panjonoana « langouste » amin’ny taona 2023 manoloana ny valim-panadihadiana nampiseho ny fihenan’ny tahan’izy ireo sy ny fanonjoana azy betsaka ary ny fihenana an’isa ny mbola tanora aminy. Manomboka ny15 janoary ary hifarana ny 14 martsa 2023 izany raha ny tatitry ny SFA (Seychelles Fishing Authority).

Araka ny tokony ho izy dia telo volana isaky ny roa taona ny fotoam-panjonoana « langouste » ao Seychelles. Nanazava ny lehiben’ny sampan-draharaham-pikarohana momba ny jono ao amin’ny SFA, Rodney Govinden fa nasiana ny fanovana ny tompon’andraikitra mba hitandrovana ny vanim-potoam-panjonoana manaraka.

Marihana kosa misy karazany 4 ny « langouste » ao an-toerana ny « longues pattes, langouste antilope d’Amérique, langouste ornée » ary ny « langouste peinte ». Ny « « longues pattes » sy « langouste antilope » no tena jonoan’ny mpanjono ao Seychelles.

Laisser un commentaire