ActualitésTatitra

La Réunion : Mitohy ny fetiben’ny sarimihetsika « Aventure »

Nisokatra ny 25 aprily teo tamin’ny fomba ofisialy tao Léspas Leconte de Lisle ao Saint-Paul ny fetiben’ny sarimihetsika « Aventure » taona 2023. Nomarihana tamin’ny fijerena ilay sarimihetsika  «Un atoll et un rêve» izany ary notohizana tamin’ny seho maro samihafa.

Nitohy ny sabotsy 29 aprily teo kosa ny hetsika izay nanatontosana fanokafana nentim-paharazana teo amoron’ny ranomasina Cap Homard ao Saint-Gilles-les-Bains. Toy ny tamin’ny taon-dasa dia narahana fandefasana sarimihetsika sy hetsika ary atrikasa sy fanentanana maro samihafa io andro io.

Marihana fa tsy hifarana ity hetsika ity raha tsy ny faha-20 ny volana may izao. Ao anatin’izany dia hisy ireo sarimihetsika maro hojerena sy hetsika samihafa hotontosaina.

Laisser un commentaire