ActualitésTatitra

Mayotte : Tontosa ny fifaninanana lomano voalohany ny Petite-Terre

Toerana tsy misy dobo filomanosana fanatanterahana fifaninanana i Mayotte. Tsy maintsy mihindrana amin’ny hotely ireo maniry hanazatra tena ao anaty dobo filomanosana. Tsy nataon’ny mpikamban’ny klioba Petite-Terre tsy nikarakara ny fifaninanana lomanony voalohany nefa izany.

Tontosa ny herinandro lsa teo io fifaninana io ary natao an-dranomasina tao Faré ao Dzaoudzi-Labattoir. Ny filohan’ny Aquatic nage’mayotte, Alain Baron kosa no nitarika io andiany voalohany io. Mbola tsy takatriny ny maro ny halehiben’io fifaninana io hoy ny tompon’andraikitra kanefa dingana lehibe ao Mayotte izany.

Mikasa ny hanao fanazaran-tena sy hanao fifaninana ao La Réunion izy ireo aorian’ny dian’i Alain Baron aty Madagasikara ny 22 jona izao. Raha tsiahivina dia hifampiresaka amin’ny delegasiona filohan’ny ligy aty an-toerana momba ny fampandrosoana ny sehatra sy ny fanaovana fanazarana.

Laisser un commentaire