ActualitésTsidika

Kolontsaina: Nisokatra nanomboka omaly 19 Jona 2023 ny rovan’i Madagasikara

 Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny rova’I Manjakamiadana ny 18 Jona dia niverina nisokatra hoan’ny daholo be ny rova nanomboka omaly 19 Jona 2023. Araka izany dia misokatra 7 andro amin’ny 7 andro ny Rova ary manomboka amin’ny 09 ora mraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Raha tsiahivina dia efa an-taonany maromaro no nikaton’ity rovan’i Madagasikara ity nohon’ny fanarenana taorian’ny famaizany ka izao niverina nisokatra izao indray ankehitriny. Manomboka amin’izao fisokafany izao moa dia mizara roa mazava tsara ny fitsidihana azy ary toy izany koa ny saram-pitsidihana na hoan’ny teratany Malagasy izany na hoan’ny mpitsidika vahiny.

Tsara ny manamarika fa efa misy ny fenitra natao manokana hoan’ireo olona manana fahasembanana mba ahafan’ny rehetra misitraka ny fitsidihana ity vakoka lehibe manan-tantara an’i Madagasikara ity.  “Mirakitra tantara maro sy haren-tsaina tsy maty vonoina hoan’I Madagasikara ity Rova ity ary zava-dehibe ny fiverenany misokatra sy afaka tsidihana indray mba ahafahan-ny olom-pirenena tsirairay mamely maso ny vako-pirenena ary koa mitjery taratra ny tantaram-pirenena satria sady adidy amin’ny maha olom-pirenena izany no andraikitra ihany koa” hoy hatrany ity mpahay tantara iray ity.

“Vita ihany ilay Rova izay nametrahana kely araka ilay fiteny hoe “Mametraha kely anamboarana ny Rova” taorian’ny famaizana, ka faly ny tena fa mbola nahita azy tafajoro indray.”hoy I Dadabe Charles mponina eny Andohalo, izy izay nahita maso izany famaizana izany.

Ankoatran’ny hoe famelomana indray ny tantara sy famerenana amin’ny laoniny ny Rova moa dia hisy fiantraikany eo amin’ny shatry ny fizahan-tany izao fisokafan’ny Rovan’I Madagasikara izao indray.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire