Famantsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra
Hisy ny tetikasa fanintarana ny herinaratra any amin’ny faritra anakiroa eto Madagasikara mba ahafahan’ny mponina manerana ny nosy hisitraka ny herinaratra.
Tetikasa izay sahan’ny « Agence de développement de l’élctrificartion rurale » (Ader) mba ho fampahazoana herinaratra ny an’ny ambanivohitra toy ny aty andrenivohitra, faritra roa no tena hisitraka an’izany dia ny faritra Alaotra-Mangoro sy faritra Atsinanana izay manerana ny « Hydroélectrique » an’ny Ampasimbe sy Sahandaso izay manana tanjaka 700 kw sy 360 kw. Efa nisy ny fihaonana eo amin’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra misahana ity tetikasa ity ny 9 aogositra lasa teo.
Efa nandefa antso ho an’ny fangatahana ny fisafidianana ireo izay olona manana faniriana ny hamatsy vola amin’ny asa fananganana ny fotodrafitrasa mifanarakaamin’izany sy izay mahakasika ny tetikasa ny avy ao amin’ny Ader. Ary nampian’izy ireo fa ny olona voasafidy amin’izany dia miandraikitra ny fitsinjarana ny herinaratra azo avy amin’ny famatsiana ny herinaratra ka ny 27 septambra ho avy izao no farany fananterana ny antontan-taratasy mahakasika izany. Ny mponina any amin’ireo toerana ireo dia efa mankasitraka sahady ny fandraisan’ny fitondram-panjakana ny andraikiny amin’ny fanomezana herinaratra ny vahoaka rehetra eny fan a dia any amin’ny tany lavitra andriana aza.
Manomboka mampiditra ny tetikasa fampahazoana herinaratra ny daholo be ny fitondram-panjakana ary tsy ny eto an-drenivohitra ihany no hahazo herinaratra sady mba hanenana ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny toerana ambanivohitra.
Anja Raharimalala
