ActualitésTsidika

Hisitraka fampianarana teny Sinoa ny Tafika Malagasy

Nandray ny Kolonely Wang ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena mba hirosoana amin’ny fampianarana teny Sinoa eo anivon’ny Tafika.

Miroso amin’ny fampandrosoana hatrany ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Ankoatran’ny maha ministera misahana ny fiarovana sy fiahiana ny vahoaka azy ireo, mandray anjara amin’ny fanampiana ny mpianatra amin’ny fikatsaham-pahalalana eo amin’ny fitenim-pirenena hafa ihany koa ity ministera ity. Efa nisy ny fampianarana teny anglisy niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Amerikanina teo aloha. Ka izao nandray ny fitsidihan’ny Kolonely Wang tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny masoivohon’ ny Sina eto Madagasikara izao indray izy ireo hijery ny toeram-pianarana ary ny mety ahafahana hampianarana ny teny Sinoa eo amin’ny ivon-toerana fampianarana.

‘’Afahana misehatra eo anivon’ny tafika ny Teny satria anisan’ny fitaovam-piadiana rehefa misy fifampiresahana eo amin’ny iraisam-pirenena afahana miaro ny vahoaka sy ny fananany iatrehana ireo ambana maro lafy’’ hoy Rabearilaza Mamy, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Misy fianarana toy izao eo anivon’ny Etamazaoro sy ao amin’ny faritra hafa. Anisan’ny vinan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena rahateo ny ahaizan’ny Tafika ny tenim-pirenena rehetra. Afaka nanatrika io fampianarana teny Anglisy io ihany koa na ny mpianatra avy any ivelany ankoatran’ireo mpianatra manam-boninahitra ao amin’ny tafika teo aloha. Miandry arak’izany ny olom-pirenena hoe ho an’iza indray ity fampianarana teny Sinoa ity ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire