Maurice : Hirona amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ary hanafoana ny fampiasana arina fandrehatra ny nosy
Notontosaina tao Balaclava tao Maurice hatramin’ny 11 desambra teo ny fihaonambe ara-toekarena afrikanina 2022. Tanjona napetraka tamin’izany ny fiezahana hitady vahaolana hampiarahana ny fampandrosoana ny firenena afrikanina sy ny fampihenana ny etona CO2.
Tanjona napetraky ny governemanta nandritra ny fivoriana kosa ny fampiasana angovo azo havaozina 60% sy ny fanafoanana tanteraka ny fampiasana arina fandrehatra ao amin’ny nosy hatramin’ny taona 2030 izao. Tondrozotra tena azo tanterahina izany hoy ny minisitry ny fitantanam-bola ao an-toerana, Renganaden Padayachy. Ity farany izay mankatoa manokana ny fironana mankany amin’ny herinaratra hanatratrana izany tanjona izany.
