Dépêches

Behenjy: Mpamily nikasa hamono ny mpampiasa azy maty voatsatoka antsy.

Dépêche 15 décembre, 16h, Mpamily fiara fourgon iray no hita faty tao anaty fiarany teny Behenjy. Araka ny vaovao voaray dia ity mpamily ity no nikasa hamono ny mpampiasany izay niaraka taminy kanefa izy indray no nifoteran’ny antsy rehefa niezaka niaro tena ilay mpampiasa. Voatsindrona teo amin’ny tendany izy noho izany ka maty tsy tra-drano. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana hahafahana mamahavaha izay tena marina rehetra. Tandremana ihany koa ny mitompo teny fantatra fa ny olombelona tsy mena-mivadika amin’ny antony izay mety tsy ho eritreretina akory.

Laisser un commentaire