Ambolokandrina : Lehilahy roa tratra nangalatra ireo vy teny amin’ny Rocade
21 Aprily, 11h00. Lehilahy roa no nifanena tamin’ny Polisy teny Ambolokandrina omaly tamin’ny 08 ora sy sasany hariva. Nilanja vy lava roa izy ireo ary nanao fitsehtsika hafahafa vao nahita ny polisy ka natao fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria. Fantatra tamin’izany fa « Poteaux » hitoeran’ny takelaby manondro lalana eny amin’ny Rocade ireo nongotan’izy roa lahy. Notazonina eo anivon’ny kaomisaria ireto farany noho ny fanimbana sy fangalarana fananana iombonana ary ho atolotra eo anivon’ny fampanoavana
