ActualitésTsidika

Politika : Tsy mitovy hevitra mikasika ny ady any Ukraine ny mpanao politika

Tsy mbola naneho hevitra mikasika ny ady eo amin’ny Ukraine sy i Russie i Madagasikara. Tsy mankasitraka izany fanapahankevitra ny tsy hiandany ami’nny adin’ny roa tonta izany anefa ny avy ao amin’ny antoko MMM izay tarihin’i Andrianainarivelo Hajo.

« Manameloka an’i Russie sy i Vladmir Poutine izahay. Miandany amin’i Ukraine sy ireo firenena tandrefana ny Antoko MMM. Tsy mankasitraka ny fomba fitondran’i Vladimir Poutine » hoy ny filohan’ny antoko MMM, Andrianainarivelo Hajo. « Samy miray feo tsy hiandany na amin’iza na amin’iza ny mpitondra sy ny antoko mpanohitra. Samy hisy voka-dratsy mantsy ny fiadaniana amin’izy ireo. Aleo ihany mipetraka tsara sy manao izay handrosoana » hoy i Fetra, mpianatra politika eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Nisafidy ny hiandany amin’ny tandrefana sy nanameloka an’i Russie ny antoko MMM. Manao pi-maso ve i Hajo Andrianainarivelo fa te ho kandida Filoham-pirenena ho tohanan’ireo firenen-dehibe tandrefana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire