Ambohimangakely : Mora hananana asa ny fianarana « menuiserie en aluminium »
Mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana amin’ny fampianarana menuiserie en aluminium ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Ny hampanana asa ny tanora hatrany no tena tanjon’ity ivon-toeram-pampianarana ity.
« Isaky ny talata sy alamakisy amin’ny 1 hatramin’ny 5 ora sy ny zoma amin’ny 1 sy sasany hatramin’ny 4 ny fianarana. Mirary ny fampianarana izay ho atao ety Ambohimangakely ny fianarana » hoy i Tata, tompon’andraikitry ny tserasera ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Vitsy ny sehatra fianarana tena tia manampy ny tanora. Ny BTC no tena hitako manana izay tanjona izay. Tsy ny vola no tanjona fa ny fampandrosoana ny tanora. Hanomezana lanja ny fiofanana ihany no anton’ilay sarany. Fanampiana no tena betsaka » hoy i Lahatra, tanora monina ao Ambohimangakely. Misy hatrany fizarana mari-pahaizana aorian’ity fiofanana mikasika ny menuiserie en aluminium ity.
Sehatra mora hananganana asa ho an’ny tena tokoa ity sehatra iray ity. Efa miroborobo tokoa mantsy izy ankehitriny.
Nicole Rafalimananjara
