Afrique du Sud : Iza moa ny Ladysmith Black Mambazo ?
Antokom-pihira ao afirique atsimo ny Ladysmith Black Mambazo. Noforonin’i Joseph Shabalala izy tamin’ny taona 1960. Mampiavaka ity tarika ity ny fanaovana hira “a cappella” na tsy misy feon-kira. Gadona “mbube” sy “isicathamiya” no tena vohizin’izy ireo. Ny raki-kira « Graceland » niarahany tamin’i Paul Simon no anisany nampalaza ny tarika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nanokatra ny Ladysmith Black Mambazo Foundation ihany koa i Joseph Shabalala ny taona 1999. Sekoly entina hampianarana ny kolontsain’izy ireo sy ny mozakany amin’ireo tanora Zoulous raha ny fanazavana nentiny tamin’izany.
