ActualitésTsidika

Fari-piadidim-pampianarana Toamasina II : Nahazo efitrano telo ny EPP Vohibendrana

Tontosa ny zoma 27 Aogositra 2021 ny fandraisana ny fotodrafitr’asa niarahan’ny fikambanana « Ny anjara masoandroko » sy ireo mpiara-miombon’antoka namatsy vola tamin’izany : Telma sy ny Fondation Axian. Efitrano miisa telo masolotra ny anarana hoe « sekoly Telma » no natolotra ny EPP Vohibendrana, Zap Antetezambaro, Cisco Toamasina II.

Nanatrika ny lanonana fanoloana izany ny tao anivon’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana niaraka tamin’ireo tale solontena avy eo anivon’ny Ministera ny fanabeazam-pirenena. Ny Kaomina Antetezambaro no vy nahitana izao fiaraha-miasa izao ary ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana dia efa nampanantena ny fanampiana amin’ny fampitaovana sy ny dabilio ho hampiasaina amin’ireto efitrano telo vaovao ireto. « Hahazo efitrano fianarana vaovao ny mpianatra eto amin’ny EPP ka mankasitraka ny telma izahay mpampianatra » Hoy i Hermine, solontenan’ny mpampianatra.

Nankasitraka ireo mpanatanteraka ny fotodrafitrasa ny teo anivon’ny fari-piadidim-pampianarana ary manantena izy ireo fa hahazo fampitaovana feno mba hahafahan’ireto efitrano ireto miasa.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire