Maurice : Zava-mahadomelina mitentina Rs 508 tapitrisa no nodorana
Niditra tamin’ny fandorana ireo zava-mahadomelina ny polisy tao amin’ny nosy Maurice. Maro karazana ny zava-mahadomelina nodorana tamin’izany toy ny rongony; zava-mahadomelina « synthétique » ; « psychotropes » ; « méthamphétamine » ; « haschich » sns.
Raha ny fanazavana dia mitentina Rs 508 tapitrisa ireo zava-mahadomelina nodorana ireo. Ny ankahamaroan’ny mpanodikodina ireo zava-mahadomelina ireo kosa dia tsy mbola voasambotra na maty talohan’ny fotoam-pitsarana azy.
Marihana fa tontosana indray na indroa isan-taona ny fandorana zava-mahadomelina ao amin’ny nosy. Tamin’ny volana jolay 2022 dia zava-mahadomelina mitenana Rs 92 tapitrisa ihany koa no efa nodorana.
