Danemark : Loharanon’herinaratra lehibe ny angovo avy amin’ny herin’ny rivotra
Avy amin’ny herin’ny rivotra avokoa ny 48% ny herinaratra tao Danemark ny taona 2019. Nisahana ny fampiasan’ny 40,5% ny Danois herinaratra ihany koa izy tany amin’ny tapa-taonan’ny 2017 hatramin’ny 2018. Nanalavitra azy tamin’ny lohalaharana teo amin’ny firenena européen izany. Laharana faha 8 teo amin’ny famokarana angovo avy amin’ny herin’ny rivotra izy tamin’io taona io, ary faha 7 teo amin’ny teo amin’ny fahatanjahan’izany.
Eo amin’ny sehatra am-dranomasina na “offshore” kosa dia mitana ny laharana faha 3 izy ao aorian’i Royaume-Uni sy Allemagne. Avy amin’ny “offshore” avokoa ny 38,4% ny angovo avy amin’ny herin’ny rivotra novokariny ny taona 2019. Nahavita mamokatra 960,3 W/mponina izy ny taona 2017 raha 330,2 W/mponina no fenitra napetraky ny Union européenne. Vestas sy Ørsted kosa no sehatra lehibe roa mpamokatra izany ao an-toerana.
