Natolotra ny manam-pahefana ilay reny nikasa hanary ny zanany tany Sahalava Fianarantsoa
Nikasa hanary ity zanany menavava ity ramatoa iray tany Sahalava Fianarantsoa ny 29 aogositra 2021 lasa teo no hitan’ny renim-pianakaviana iray. Nomeny nono aloha ilay zaza ary taorian’izay no saika nametrahany azy tany amin’ny mangingina. Tsy nisy tahotra mihitsy ilay reny nanary ilay zaza ary tsy nihambahamba nilaza tamin’ilay vehivavy nahita azy fa tsy vitany ity zanany ary izany no antony nanariany azy.« Raha mazoto ianao dia omeko anao io zanako io hoy ilay ramatoa saika nanary ny zanany tamiko ary avy hatrany dia nampandrenesiko ny manodidina » hoy hatrany izy tamin’ilay ramatoa nahatratra azy.
« Tsy mety mihitsy ny tahaka izao fa rehefa tsy vita dia tokony tsy hiteraka » hoy i Clémence, mponina any an-toerana. « Manana zo ho arovana ny zaza ary tsy tokony ho ekena ny fanarian-jaza tahaka izao » hoy i Njiva, mpahay lalàna. Naterin’ny fokonolona tany amin’ny mpitandro filaminana ilay reniny sy ny zanany taorian’izay ary efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha mikasika azy mianaka ary izy ireo no manapa-kevitra amin’izay ho atao. Marihina fa manodidina ny iray volana eo ity zaza ity ary efa misitraka sahady ny zo feno amin’ny maha zaza azy ka zony ny hotaizana sy omena fitiavana.
Mirongatra tato ho ato ny fanarian-jaza, inona no tena antony ? Ny tsy fananan’asa hamelomana sa ny tsy fahazotoana ny ho ray aman-dreny ?
Nicole Rafalimananjara
