Ambohimanambola : Ho avy tsy ho ela ny fidiran’ny andian’ny faha-sivy ao amin’ny CEFOPI
Hiditra tsy ho ela ireo mpianatra amin’ny taranja informatika, andiany faha sivy, ao amin’ny sekoly fanofanana informatika CEFOPI Ambohimanambola. Tsy ny taranja informatika irery ihany anefa no ampianarina ny mpianatra ato amin’ity ivon-toerana iray ity, fa misy ihany koa ny fianarana zaitra sy ny taranja teny frantsay sy anglisy, araka ny voalaza.
« Manomboka ny Alakamisy 4 Mai 2023 ho avy izao no fidiran´ny 9éme Promotion, 2éme vague ho an’ny fiofanana informatique sy coupe et couture eto amin’ny ivon-toerana. Manomboka ny Alatsinainy 17 Avril 2023 no fanombohan´ny fampianrana ho fanomanana ny fanadinana bakalorea ary ny taranja frantsay sy anglisy » hoy i Ezaka, tale, mpitantana ny ivon-toerana.
« Tsara marihina hatrany fa ny ato amin’ny ivotoerana dia ara-panjakana ny mari-pahaizana omena ny mpianatra. Ny tanjona ao anatin’izany dia ny hahatafita ny mpianatra tsirairay » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa maro moa ireo ankizy, mpianatra nahazo tombotsoa tamin’ny fanarahana ny fiofanana tato amin’ity ivon-toerana iray ity. Marihina fa manana « annexe » ivon-toerana eny amin’ny faritra Ankadindratombo eny.
Manitra R.
