ActualitésTsidika

Fitaterana : Nitokona ireo fiara mpitatitra Mahitsy, Alakamisy, Ivato

Nitokona ireo fiara mpitatitra D, Mahitsy, Alakamisy, Ambohidratrimo, Ivato androany. Mitaraina noho ny « fanararaotana » ataon’ireo mpitandro filaminana ireto zotram-pitaterana ireto. Etsy an-kilany, mitaraina ihany koa ireo mpandeha indrindra ireo mpianatra sy mpamonjy birao maraina ary ireo mpiasa.

« Tena manapaka be loatra ireo Zandarimaria mpanakan-dalana. Aleo aloha mitokona mihitsy amin’izay tsapa mivantana fa tena maharary anay ireny. Aleo aloha mitokona fa efa tsy rariny intsony ny fanararaotana aminay mpitatitra. Samy miara-miasa ho amin’ny fampandrosoana ny firenena izao ihany na ny mpitatitra na ny zandary » hoy i Albert, mpitatitra amin’ny zotra D. « Sao mba tokony hojeren’ny tompon’andraikitra ihany ny tranga tahaka izao. Mijaly izahay vahoaka madinika tsy mba manana fiara manokana. Mandeha tongotra no vahaolana omen’ny mpamily kanefa ny tena manenjika fotoana » hoy i Françia, mponina ao Alakamisy.

Tsy vitsy tokoa ireo zotra mitaraina noho ny ataon’ireo mpitandro filaminana. Vao andro maromaro ihany koa izay no nitokona ny fiara mpitatitra any Itaosy. Mila vahaolana maharitra mba tsy hisian’ny baranahany anefa ity sehatra ity. Fiainan’olona maro no miankina aminy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire