ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Norombahin’ny Cosfa ny satro-boninahitra tompondakan’i Madagasikara amin’ny baolina lavalava

Norombahin’ny ekipan’ny miaramila, Cosfa, ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny baolina lavalava. Nandresy ny US Ankadifotsy tamin’ny isa 39 noho 22 ny Cosfa.

« Faharoa, ny ekipan’Ankadifotsy ary laharana fahatelo ny Savonnerie Tropicale rehefa nandavo ny TAM Anosibe. Ramaroson Philbert Cédrick na i « Baina » (demi de mêlée) avy amin’ny US Ankadifotsy no nampidi-baolina be indrindra » hoy ny filohan’ny Federasiona, Rakotomalala marcel. « Manana ny toerany tokoa ny baolina lavalava amin’izao. Miezaka hatrany isika mampiroborobo ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ho antoky ny fandrosoana » hoy ny Minisitry ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto.

Voahosotra ho mpilalao mendrika i Raparison Hanitriniaina « Tiana Kely », laharana faha-9, mpandrindra lalaon’ny Cosfa. Betsaka ny mpankafy ny lavalava teny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka no voatery niverin-dàlana nody noho ny fetr’isa tsy azo nihoarana. Noferana ho iray alina ihany mantsy ny mpijery. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire