Belgique : Vehivavy niharan’ny fanolanana iray no nahazo alalana ho faty
Tsy vao voalohany no nisy olona nahazo alalana ho faty tao Europe. Vehivavy iray 50 taona antsoina hoe Nathalie Huygens indray no nahazo fahazon-dalana tamin’ny mpitsabo iray sy mpitsabo saina roa hanatanteraka izany tao Belgique.
Raha ny fanazavana dia niharan’ny fanolanana io renin-pianakaviana io tany amin’ny taona 2016 tany. Nanomboka teo dia nisedra fijaliana izy indrindra ara-tsaina. Sokajian’ireo manam-pahaizana ho tsy zaka mihitsy ny rarin-tsain’i Nathalie Huygens. Efa nikasa namono tena ity farany nampidirina tany amin’ny toby nitsabo saina nandritra ny efa-bolana noho izany.
Tao anatin’ny herinandro maromaro izao dia nanao krizy im-betsaka io renim-pianakaviana manan-janaka roa io. Tsy maty ao an-tsainy hoy izy ny niainy ankoatr’ny rehefa matory izy ka aleony matory mandrakizay. Marihana fa ara-dalàna ny fangatahana ho faty (euthanasier) ao Belgique sainfy misy fepetra mifehy izany.
