Rivo-doza Freddy : Mitodi-doha makaty Madagasikara indray ny lalany
Dépêche 03 mars, 10h30, Rehefa avy nandrava tao Zimbabwe ity rivo-doza ity dia miverina ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika indray. Hitombo ny rotsak’orana ho an’ny faritra Andrefana, Atsimo Andrefan’ny Nosy iny. Ahiana hiditra ao amin’ny faritr’i Toliara iny indray ity rivo-doza Freddy ity amin’ity faran’ny herinandro ity. Mila efa samy mandray ny andraikiny mifanaraka amin’izany ny rehetra arak any lokon’ny saina izay omena ny faritra tsirairay.
