Tafaverina ao amin’ny ala tantanin’ny voi sihanakamba mahavelo ireo sokake 1000 tany amin’ny Distrika Beloha Androy
29 Jolay, 08h10. Ny 27 Jolay teo no naverina tao amin’ny ala tantanin’ny VOI Sihanakamba Mahavelo ao amin’ny Kaominina Marolinta, Beloha Androy ny sokake miisa 1000. 9 taona nitantanana izao ny VOI Sihanakamba Mahavelo ary vao nahazo fanalavana fitantanana 10 taona indray izy ireo. Teo anatrehan’ny solontenan’ny Faritra Androy, ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe, ny Ben’ny Tanàna Marolinta, ny Zandary, ny TSA sy ireo olobe an-tanàna no nanaovana ny famindram-pitantanana sy ny famerenana ireo sokake tamin’ny tany niaviny. Mirefy 984ha ny ala tantanan’ny VOI Sihanakamba Mahavelo ka ny 6ha no mbola fefena ampidirana ny sokake. Afaka enim-bolana dia havotsotra tanteraka ireo sokake ireo.
