Fanofanana ireo zandary sy polisy momba ny fiarovana ny zaza manoloana ny heloka an’habaka tany Antsiranana
Nisy ny fiofanana nentina nanabevoho ny fahaiza-manaon’ireo zandary sy polisy (acteurs de police judiciaire) ao anatin’ny faritra Diana, nanomboka ny faha 27 jolay 2021 ary maharitra hateloana. Tsy mitsahatra mitady paikady vaovao sy mifanaraka amin’ny toetrandro ny mpisehatra amin’ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana mba hiarovana ny zaza manoloana ny asa-ratsy an’habaka hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimaria.
Marihina fa ny Ministeran’ny Fitsarana miaraka amin’ny Unicef sy ny « Service de Protection de l’Enfant et des Mœurs (COM/DPJ/SPEM) » eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ary ny « Police des Mœurs et Protection des Mineurs (PMPM) » ao amin’ny Polisim-pirenena no miara-miombon’antoka amin’izao fanofanana izao. « Santatra am-bavarano izao fa mbola hitohy izany any amin’ireo faritra hafa manerana ny nosy » hoy ny avy amin’ny Tafika. « Mila arovana ny zaza manoloana ny heloka an’habaka satria manan-jo ny ho arovana izy ireo ka izany no tena tanjona amin’izao fampiofanana izay nampahafantarana ny tokony atao » hoy ny avy ao amin’ny Unicef.
Mila fanaraha-maso tokoa ny zaza amin’ny maha zaza azy ireny, tsy ny mpitandro filaminana ihany anefa no tena tompon’andraikitra fa indrindra ny ray aman-dreny niteraka sy ny fiarahamonina izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fitaizana azy.
Nicole Rafalimananjara
