ActualitésTatitra

Allemagne : Nisy fipoahana tao amin’ny toerana fikirakirana akora iray

Tao Leverkusen, andrefan’i Allemagne no niseho ny tranga ny talata teo. Nosokajiana ho « loza mihatra » mihitsy ity tranga ity izay nahafaty olona iray ary tsy nahita popoka olona 4 araka ny tatitra nampitain’ny orinasa Currenta, mpitantana foibe fitahirizana sy fandoroana fako.Nanentana ny mponina ny tompon’andraikitry ny toerana mba tsy hivoboaka ny trano. Nangatahina izy ireo mba tsy hanokatra ny varavarana sy ny varavarakely mandra-paha fantatra ny loharanon’ity fipoahana ity. Voasokajy ho loza be ity tranga ity ao amin’ny application fampandrenesana loza nasionaly Nina.

Laisser un commentaire