ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny fampisehoana goavana natolotry ny BTC

Tontosa soa aman-tsara ny alahady teo ny fampisehoana goavana izay nokarakarain’ny BTC Ambohimangakely. Tonga maro ireo mponina, indrindra fa ny ankizy ny tanora nandritra izany.

 “Tanjon’ity hetsika ity ny hampahafantatra ny fisian’ny BTC eto Ambohimangakely ary ihany koa hanome vahana ireo mpitia fanatanjahantena , toa ny baolina kitra, ny basket, ny ara-maro seho isan-karazany, ny dihy, sy ny maro hafa. Ireto farany izay anisan’ny omena vahana eto amin’ny BTC amin’ny alalan’ireo fifaninanana sy hetsika isan-karazany, izay tsara ampahafantarina ny tanora.” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

“Nahafinaritra ny fiarahana nandritra ny fampisehoana maimaim-poana iny. Teo ihany koa ny fifaninanana maro isan-karazany. Hisaorana ny mpikarakara rehetra satria nampiala voly ny mponina tety an-toerana tokoa” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika SSMAF izay karakarain’ny BTC amin’izao fotoana moa ity hetsika ity. Ireo hetsika ao an-toerana izay mitohy hatrany ihany ary hanentanana ny rehetra mba handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy ho an’ny mponina ao Ambohimangakely irery izany, fa ho an’ny rehetra izay liana, indrindra ny ato amin’ny distrika Avaradrano.

Manitra R.

Laisser un commentaire