Maurice : Hisy ny hazakazaka « voiliers » ao Grand-Sable
Ny filankevitry ny distrikan’i Grand-Port/Savanne miara-miasa amin’ny filankevitry ny tanànan’i Grand-Sabie sy Petit-Sable dia mikarakara « régate » na hazakazaka « voiliers » ao Grand-Sable ny alahady 10 septambra izao. Hizara roa izany hazakazaka izany, ny « Mirale » no andiany voalohany izay tontosaina ny maraina. Ny « Mirale » natokana ho an’ireo fiankaviana mpanjono. Tontosaina ny hariva kosa ny « Professionnelle ».
Raha ny voalazan’ny mpanolotsaina ao amin’ny Grand-Sable sy Petit-Sable, Ravin Ramphul dia mitenina Rs 300 000 eo ny sandan’ny sambo iray ho an’ny « régate ». Misy ny orinasa manohana ny fividianana izany raha ny fanamafisany saingy miverina ho azy ireo izany aorian’ny fifaninanana ary miandry ny fifaninanana manaraka indray.
