ActualitésSportTsidika

Alasora: Mizotra am-pilaminana ny fifantenana mpilalao amin’ny taranja basket-ball

Ao antin’ny dingan’ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa handray anjara amin’ny taranja basket-ball, intercommunal, ny ao amin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Mizotra am-pilaminana hatrany izany fifantenana mpilalao izany, araka ny voalaza.

“laharam-pahamehana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, izany indrindra no mahatonga ny kaominina handray an-tanana sy hanomana hatrany ireo mpilalao izay hisolo tena ny kaominina amin’ny fifaninana izay atao eo anivon’ny distrika” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Misongadina hatrany ny kaominina Alasora amin’ireo lalao fifaninanana ato amin’ny distrika, na ny taranja baolina kitra io na ny basket. Izany no misy rehefa tsara fanohanana ireo ekipa. Hisaora ny tomponandraikitra tsy nanao izany amabin-javatra” hoy i Santatra, mpilalao basket.

Ao anatin’izany fifantenana izany moa dia misy ny fanadinana am-bava sy an-tsotra ireo izay voafantina. Raha mitaha  amin’ireo kaominina hafa ao anatin’ny distrika, hita taratra ny fahavitrihana sy ny fanomanana ataon’ny kaominina Alasora amin’ity. Ireo tomponandraikitra ao an-toerana izany miezaka hatrany amin’ny fanosehana ny taranja ara-panatanjahan-tena sy ny tanora ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire