Tsidika

Inona no vahaolana manoloana ny haintrano ?

Hita n’aiza n’aiza ny hai-trano na eto Madagasikara na any ivelany. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa vokatry ny tsy fitandremana eo amintsika ihany na dia indraindray aza tsy fantatra mazava ny antony. Tsy misangy ny afo ka mety hanimba ny fananana rehetra mihitsy satria izay may tsy azo atao na inona na inona intsony. Nisy haintrano izao omaly alakamisy 11 martsa tany Ambatondrazaka renivohitra ka may ny tsy ny azo noraisina avokoa ny entana tao amin’ilay trano. Trano hazo misy rihana ity may ity, izay tokony ho tamin’ny telo ora sasany maraina tao amin’ny fokontany Madiotsifafana. Zazavavy roa no tao anatiny, izay tao amin’ny rihana ambony ka somary nananosarotra ny nivoahan’izy ireo fa tsy nisy naratra fotsiny. Ny olona taty ivelany aza no nitabataba nanaitra azy roa vavy tao anatiny noho ny firedaredan’ny afo. Sotasota ny hafa ve sa vokatry ny tsy fitandremana? Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Ny olana tena mahavetivety ny fihitaran’ny afo eto amintsika ihany koa ny tsy fahampian’ireo mpamonjy voina sy tsy fahampian’ny rano. Ny tampoka toy itony anefa no tena mampitondra takaitra ny vahoaka. Miverina amin’ny voalohany izany izao ny fiainan’ity tokatrano niharan’ny hai-trano ity. Inona ny vahaolana maharitra tokony ho raisin’ny fanjakana manoloana ny hai-trano sy hisorohana izany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire