Lisi-pifidianana : Ilaina ny fanentanana ny vehivavy mba hazoto handray anjara.
Kolotsaina hita matetika eny amin’ny fiaraha-monina ny tsy fandraisan’ny vehivavy anjara andraikitra amin’ny sehatra misongadina rehetra. Mbola vitsy ny tahan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fanaovana politika, ny resaka sosialy sy ny fikambanana maro samihafa eto amin’ny firenena. Manaporofo izany ny fahabangan’ny lisim-pifidianana hita ankehitriny. Voamarina mantsy fa vehivavy avokoa ireo tsy misoratra anarana ao anatin’ny lisitra. Ny lalàna anefa no mamaritra fa zo sy adidin’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka feno 18 mihaotra no mifidy. Tsy izay anefa ny zava-misy fa maro ireo vehivavy no tsy mahazo sehatra manokana amin’ny lafiny rehetra. 46% ny vehivavy ihany no hita fa voasoratra tao anaty lisitra tato anatin’ny 3 taona misesy izay. Ny vehivavy anefa no mitana isa betsaka indrindra raha eto Madagasikara no jerena. Misy kolotsaina eto amitsika izay tokony amboarina aloha. Ohatra noraisin’ny mpanara-mason’ny fifidianana ny any amin’ny toerana iray, izay tsy mahazo mandeha mifidy ny vehivavy fa ny lehilahy no mahazo mandeha. Ny fahatsapan’ny vehivavy hoe “ilaina ihany koa izy”no antony mahatonga izany rehetra izany. Ny lalàna anefa no mamaritra fa azon’ny vehivavy atao ihany koa ny miandraikitra ny raharaham-pirenena sy ny sehatra maro samihafa.
Fanilo Rarivorilala
