Efa nisy fihenana ny vidin’ireo fitaovana ilaina amin’ ny fiainana andavan’andro (PPN) tany amin’ny faritr’i Ihorombe
Taorian’ny fitarainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny fidangan’ny vidim-piainana dia nisy ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitry ny varotra. Nandritra ny fandehanana ifotony izay nataon’ny teo anivon’ny sampana misahana ny fanaraha-maso sy sehatra ara-barotra (DRICC) Ihorombe tao amin’ny tanànan’i Ihosy no nahitana fa efa midina amin’ny ara-drariny ireo vidin’ny fitaovana ilaina andavan’andro.
Nahitana fihenena avokoa ny vidin’ny entana amidin’ireo mpanjinjara eny an-toerana. Toy izao manaraka izao ny ampahany amin’ny vidin’ny entana tany amin’ny tanànan’i Ihosy : 2 700 Ar ny iray kilao amin’ny lafarinina, manodidinana ny 2 300 Ar sy 2 200 Ar kosa ny kilaon’ny vary nafarana, 6 000 Ar ny litatra amin’ny menaka antsinjarany ary 7 500ar ny litatra amin’ny tavoangy mihidy.
« Efa azo leferina ny vidin’ny vary amin’izao fotoana na dia hita ihany ary hoe mbola tsy takatry ny fahefan’ny fianakaviana rehetra, ahena arak’izay tratra ny fandaniana amin’ny andavan’andro hahafahan’ny ankohonana misakafo ara-dalana » hoy i Fanambinana mponina any an-toerana. « Tsy sakafo ara-pahasalamana intsony no tadiavan’ny vahoaka fa sakafo ara-potoana, izany hoe ny sakafo maraina, atoandro ary ariva nohon’ny tsy fisian’ny asa ateraky ny krisy ara- pahasalamana etsy andaniny, fa eo ankilany ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana isan’andro izay tena tsy mifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady” hoy i Onja, mpandalina ny toe-karena sy mpandinika sy ny fairaha-monina. Fanararaotam-pahefana no manjaka eto amin’ny tanintsika ankehitriny hany ka manao izay hahasoa ny tenany manokana izay manana izany, tsy mitsinjo ny hafa fa miandry sazy sy fanaraha-maso entitra mandrakariva vao misaina hanao ny marina sy ny rariny.
Hiandry fanaraha-maso mandrakariva ve isika vao hanaja ny lamina sy fepetra ho fandaminana ?
Haingo Andriamihaja.
