Alasora: Miezaka manomana ny ekipa amin’ny fifaninanana baolina kitra eo amin’ny distrika ny kaominina
Miezaka manomana ny ekipa amin’ny fifaninanana baolina kitra eo amin’ny distrika ny kaominina Alasora. Ny Talata teo, nanao lalao ara-pirahalahiana tamin’ny ASSAA (D2) tetsy amin’ny kianja Elgeco Plus ireo ekipan’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalao fifaninanana baolina kitra Avaradrano izany, araka ny voalaza.
“Miezaka hatrany ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina amin’ny fanomanana ireo ekipa, izay misolo tena ny kaominina, amin’ny fanazara-tena isan-karazany ho fiatrehana ireo fifaninanana. Zava-dehibe ihany koa izany mba ho fampiroboroboana sy fanandratana ny fanatanjahantena eto an-toerana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Mila atao foana ny ezaka anaty fifaninanana. Anisan’ny manampy betsaka ny mpilalao ny fiatrehana karazana fifaninanana na lalao ara-pirahalahiana. Manampy ny traikefa sy ny fahaiza-manao izany, indrindra ahazoana teknina entina milalao ka mahatonga fivoarana sy fahombiazana” hoy i Fidy, mpankafy baolina kitra.
Marihina moa fa ny kaominina Alasora dia hiakatra kianja amin’ny alahady izao amin’ny fifaninanana baolina kitra Distrika, hifanandrina amin’ny kaominina Talata Volonondry. Tamin’ity lalao ara-pirahalahiana ity moa dia resy tamin’ny isa 3 no 1 izy ireo.
Manitra R.
