France : Tovovavy iray no nikasi-tanana ny reniny rehefa nandà tsy hanome vola azy izy
Tovovavy iray 16 taona no nahavita nikasi-tanana ny reniny, 52 taona noho ny resa-bola. Tao Avignon, ao Vaucluse no niseho io tranga io ny volana janoary teo. Nanagataka tamin’ny reniny hampiakatra ny « argent de poche »-ny io tovovavy io saingy nandà izany ny reniny. Manoloana izany dia nomen’io tovovavy io ny totohondro ny reniny.
Taorian’izany dia naka antsy ilay tovovavy ary nandrahona ny reniny tamin’izany. Manoloana ny tranga dia niantso ny manam-pahefana ilay renim-pianakaviana. Nosamborina avy hatrany ilay zazavavy ary notanana am-ponja vonjimaika. Efa nahazo fitsaboana kosa ilay renim-pianakaviana. Manoloana ny tranga dia inona no sazy mendrika io tovovavy io ?
