SocialTatitra

Italie : Vavy antitra iray 103 taona, nitondra fiara tsy nisy antoka

Vehivavy italiana iray, 103 taona, no tratra nitondra fiara tamin’ny misasak’alina, tsy nisy antoka (assurance) sy fahazoan-dalana (permi) efa lany andro. « Hihaona amin’ny namany » any akaikin’i Ferrara (avaratra) no anton-diany, raha ny nambarany tamin’ireo mpitandro filaminana (carabiniers) nahatratra azy. Tamin’ny 1 ora maraina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia naharay antso ny mpitandro filaminana Italianina, nilaza fa misy fiara mandeha mafy ary mety hampidi-doza tao amin’ny afovoan-tanànan’i Bondeno, any Emilia-Romagne. Nijery avy hatrany ny zava-misy ny mpanao fisafoana tao an-toerana ka nahita ity fiara ity. Fahagagana no nahitan’izy ireo ny mpamilin’ity fiara ity, izay olona efa teraka tamin’ny taona 1920, izany hoe manodidina ny 103 taona any ho any kanefa mitondra fiara sy tonga tao Bondeno, hitady ireo namany. Any Italie moa, araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana, isaky ny roa taona dia tokony hanao fizaham-pahasalamana ireo olona maherin’ny 80 taona, miankina amin’izany ihany koa no ahafahany manavao ny fahazoan-dalana hitondra fiara.

Laisser un commentaire