ActualitésTsidika

Alasora : Nandray anjara tamin’ny Miss et Mister île vert Madagascar ny zanaky ny kaominina

Nandray anjara tamin’ny fifaninanana Miss et Mister Ile vert Madagascar i Andriamalala Diary Mitia, zanaky ny kaominina Alasora. izy izay voafidy ho miss île vert Madagascar ary nitondra avo ny voninahitry ny kaominina.

« Ny kaominina moa dia anisan’ny manohana hatrany ireo tanora manana ny mampiavaka azy sy ny talentany amin’ireo karazana fifaninana sy taranja rehetra. Izy ireny no mitondra avo ny anaran’ny kaominina ary voninahitra ho antsika ny fananana azy ireny » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Mirehereha hatrany ny kaominina manana tanora sy kintana mitondra avo ny anaran’ny faritra nihaviany. Zava-dehibe izao satria misongadina amin’ny tsara ary mendrika tokoa » hoy i Teddy, mponina ao Alasora.

Ity fifaninana lasibika ity moa izay nahitana ireo mpandray anjara maro avy any amin’ny faritra manerana ny nosy. Tamin’ny herinandro teo no nanatanterahana ny lalao famaranana izany.

Laisser un commentaire