ActualitésTatitra

Japon : Kyoto, renivohitry ny firenena fahiny

Tanàna iray ao amin’ny faritanin’i Kansai, ao afovoan’i Honshū i Kyoto. Renivohitra imperialin’i Japon izy teo anelanelan’ny taona 794 sy 1868. « Heian-kyō » midika hoe renivohitry filaminana sy ny fitoniana no anarana nentiny tamin’izany. Nahatratra 1,46 tapitrisa kosa ny mponina tao aminy raha ny antontanisan’ny taona 2020 teo.

Ivon-toerana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana ao Japon i Kyoto amin’izao fotoana noho ireo lapan’ny amperora sy toerana masina Shinto ary tempoly « bouddhiste » maro hita ao aminy. Renivohitry ny prefektioran’i Kyoto ny tanana ary anisan’ireo lehibe indrindra ao amin’ny tanan-dehibe Keihanshin (Osaka-Kobe-Kyoto).

Laisser un commentaire