Talata volonondry : Nisy ny fizarana jiro manazava ny tanàna
Nozaraina jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, entina hanazavana ny tanàna, ireo mponina tao amin’ny fokontany Idilana, kaominina Talata Volonondry. Jiro miisa 10 no napetraka nandritra izany, izay ny 5 avy amin’ny Mazava association, ary ny 5 kosa natolotry ny ben’ny tao an-toerana.
« Miezaka hatrany ireo tompon’andraikitra eto amin’ny kaominina sy ireo fikambanana amin’ny fanatanterahana fiaraha-miasa ho famaliana ny hetaheta sy ny fangatahan’ireo mponina. Atao izany mba ho an’ny fampandrosoana, indrindra ny eny ifotony » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Faly tokoa amin’izao ezaka ataon’ny tompon’andraikitra izao, ny amin’ny fametrahana jiro manazava ny tanàna. Anisan’ny tena ilainay tokoa satria ny haizina dia miantso tsy fandriampahalemana ety an-toerana » hoy i Parfait, mponina ao Talata volonondry.
Izay mahakolokolo no manana ny soa, hoy ny malagasy. Zava-dehibe tokoa ny fananana hazavana maimaim-poana sy mora ampiasaina kanefa natao ho an’ny rehetra tahaka izao. Ilaina fikajiana sy fanajana anefa ny fananana iombonana tahaka izao mba hampateza sy hampaharitra azy.
Manitra Ramanantsoa
