Andavamamba : Nahazo fanampiana ny mponina sahirana
Nahazo fanampiana tany amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny mponina ao Andavamamba. Namboarina ny tetezana 210 metatra vita amin’ny hazo mba hifamoivoizana.
« Tsy hay ny hijery fotsiny amin’izao taona vaovao izao. Faly ny tenako mizara vary sy menaka ho an’ny mponina tena sahirana eto Andavamamba » hoy ny Ministra, Imbiki Herilaza. « Tena mankasitraka tamin’ny vitanareo. Tsy irery tokoa izahay vahoaka sahirana fa misy manampy hatrany » hoy i Lanto, mponina ao Andavamamba. « Mankasitraka amin’ny fanampiana, indrindra ny nanamboarana ity tetezana hisian’ny fafandraisana ity. Ao anatin’ny fahavaratra tokoa isika izao izay fotoana tena mandrava ny tetezana hazo tahaka izao » hoy ny sefo fokontany ao Andavamamba. Vary 15 gony sy menaka 250 litatra no natolotra ho an’ireo olona tena sahirana.
Tsy misy manana ny ampy tokoa fa sambatra izay mifanampy. Raha manao toy izany avokoa ny manan-katolotra rehetra dia ho sambatra ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
