SocialTsidika

Masindray : Namoaka olo-malaza maro

Maro ireo olomanga nitondra soa teto amin’ny firenena sy nanana ny lazany teto amin’ny firenena no avy any Masindray. Olona nanamarika ny tantaram-pirenena no maro no nopoitra avy ao amin’ity Kaominina iray ato anatin’ny Distrikan’Avaradrano ity.

Isany amin’izany i Rambavy, izay tompon’i Masindray, zanakalahin’ny mpanjaka Ralambo. Eo ihany i Jean Narivony izay fanta-daza amin’ny fanoratana sy ny fampianarana ary ny fanabeazana. Isan’ny tena namantarana an’i Jean Narivony ilay asasorany ny hoe Ranovelona, Ny fandrosoam-baovao, Ny mpandinika.

Tsy izay ihany koa fa avy any ihany koa i Samuel Rakotondrabe izay mpandraharaha Malagasy, mpitolona tamin’ny 1947. Tsy adino ihany koa i Rajaona Jean-Marie izay mpampianatra nampianatra ny filoha Philbert Tsiranana. Tsy ambaka an’iznay ihany koa ireo taty aoriana fa tena namoaka manam-pahaizana maro i Masindray toy i Radavidson Benjamin Andriamparany izay efa Minisitry ny toe-karena sady efa solombavambahoaka ary koa efa Minisitry ny fanabeazam-pirenena.

Teo ihany koa i Elia Ravelomanantsoa izay efa Minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka tamin’izany, ary ihany koa i Dokotera Naina Andriambelosoa izay efa ben’ny tanàna tany an-toerana ka solombavambahoaka eto Avaradrano amin’izao fotoana izao. Tanindrazan’i Hajaina Andrianasolo ihany koa any Masindray, izy izay filohan’ny fikambananaa Havatsa-Upem amin’izao fotoana izao.

Efa betsaka ireo olona nivoaka tao amin’io Kaominina iray io, ary irariana mba tsy hanadino ny tanindrazany izy ireny fa hitondra avo sy hamelomaso izany hatrany. Toy izany koa ireo tanora vao hisandratra, irariana mba hitondra avo ny tanànany rahatrizay. Marihina fa mbola maro ny hafa tsy voatanisa izay nipoitra avy tao Masindray avokoa, olona ambony nanana sy manana ny lazany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire