Talata Volonondry : Misy mpitandro filaminana miray tendro amin’ny jiolahy
Tranga mateti-piseho ny fitiavan-kelin’ny mpitandro filaminana ka mamadika amin’ny asany. Mpitandro filaminana tokony hisambotra jiolahy no lasa jiolahy raha fintinina ny zava-misy. Polisy iray ary sivily 13 mantsy no tratra ary natao famotorana tany Talata Volonondry noho ny halatra vy tao amin’ny orinasa iray.
« Nosakanana ny kamiao iray izay nilaza fa haka saribao, natao anefa ny fisavana dia hita tao ny polisy iray manao fanamiana sy olon-tsotra miisa 9 ary nitsoatra izy ireo fa nikasa hangalatra vy ao amin’ny orinasa iray izay efa namany koa ny mpiambina ao » hoy ireo zandary nanao fisafoana tamin’iny lalan-tany makany Sadabe iny.
Tetsy an-kilany, nilaza ireo tompon’andraikitra teo anivon’ilay orinasa fa « tsy nivarotra ary tsy nikasa hamoaka vy velively ny tato amin’ny orinasa ». « Tsy kely lalana ny ratsy ary matetika tsy lavitra ilay niharan’ny fanafihana na vaky trano ilay olo-meloka, ary mody mampiasa olona hafa ivelany fotsiny » hoy i Christophe, mponina ao Talata Volonondry. Notazomina vonjimaika ireto olon-dratsy ireto taorian’izay.
Vao tamin’ny septambra teo no nisy polisy niray tendro tamin’ny fangalarana vy ihany koa tao amin’ny Kianjan’i Barea. Ny fitiavan-kely avokoa no mahatonga izany izay sakana lehibe tsy mampandroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
