SportTsidika

Barean’i Madagasikara : Mampiray ny vahoaka Malagasy.

Hiverina indray ato ho ato ny fotoana fanehoan’ny Malagasy ny firaisan-kinany. Tsapa fa nisy izany nandritra ny fotoana nampisongadina azy ireo teo amin’ny sehatry ny baolina kitra nanomboka ny taona 2019. Niatomboka tamin’ny “Coupe d’Afrique des Nations” na ny CAN, hiadiana ny tompon-dakan’ny Afrika, izany ka hatramin’ny lalao farany teo. Hinoana ny hisian’ny firaisan-kina mitohy tahaka izany amin’ny lalao manaraka izay hatrehan’ny Barean’i Madagasikara. Niray fo sy saina ny Malagasy ary tanjona napetraka ny hahalasa lavitra ity ekipampirenena ity. Anisan’ny reharehantsika tokoa izy ireo teo amin’ny fahaizany sy ny fivoarana nasehony tato anatin’ny taona vitsy izay. Mitohy hatrany amin’ny fanarahana ireo dingana rehetra amin’ny hiakarana any amin’ny lalao CAN 2022 indray ny Malagasy rehetra ankehitriny. Tsiahivina mantsy fa misy lalao maromaro hatao ny barean’i Madagasikara ato anatin’ity volana martsa ity. Misy ny lalao miverina izay hifanindrinany amin’i Ethiopie, hotontosaina any amin’ny firenena Ethiopie ny 27 martsa 2021 ho avy izao. Raha toa ka hiverina eto Madagasikara izy ireo ny 30 martsa 2021, hifanandrina amin’ny Niger. Ny alakamisy ho avy izao no fanehoana ny anaran’ireo handrafitra ny ekipa. Hiverina indray izany ny fitiavan’ny Malagasy ity ekipa ity amin’ny fanohanana azy. Ilain’ny mpilalao ihany koa izany etsy ankilany amin’ny fiarovana ny voninahim-pirenena.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire