SocialTsidika

CUA : Manana tanjona hampandrosoana ny tananan’Antananarivo.

Mivangongo eto Antananarivo avokoa ny loto sy ny setroka havoakan’ny orinasa rehetra. Tsy lazaina intsony ny fahabetsahan’ny olona eto andrenivohitra, sy ny fitohanana lavareny manerana ny toerana maro samihafa. Saika ny tanan-dehibe manerantany mihitsy no ahitana izany.  Raha ny eto Madagasikara, tsy mitsaha-mitombo ireo olona miakatra eto mba hitady izay hivelomana. Misy ihany ny politikampanjakana hitadiavana hevitra amin’izany fahabetsahan’ny mponina eto Antananarivo izany. Mbola tsy tanteraka aloha izany hatreto. Miezaka mampiseho ny heviny kosa ny avy eo anivon’ny tanan’Antananarivo fa hiezaka handravaka ny eto izy ireo. Anatin’ny drafitra hapetrak’izy ireo no hilazany fa hametraka “Chinatown” eto andrenivohitra izy ireo. Tanjona moa ny hanome fahafinaretana ny maso izay mijery izany.  Etsy Behoririka, izay ahitana ny toerana mahabe ireo sinoa no sady foiben-toeran’ny sinoa no nokasaina hanatanterahana izany. Mbola eo andalampandihana izany moa ny eo anivon’ny CUA. Hanome endrika ireo toeram-pivarotana ho toy ny any ivelany rehetra izany. Marihina fa saika ahitana izany avokoa ireo tanan-dehibe any ivelany. Mitana ny sain’ny maro indray ny mety ho fihovana hita eny amin’io toerana io araka izany. Miteraka fahatoniana sy filaminana ihany koa anefa ny fisian’ny tanàna milamina sy mahafinaritra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire