ActualitésTsidika

Behoririka: Vehivavy mpiasany ihany no namono ilay sinoa 

Nitsiry tao amin’ity vehivavy mpiasana sinoa ity ny fakam-panahy rehefa nahita ny volaben’ilay sinoa mpampiasa azy izy. Noreseny lahatra ireo mpivarotra namany amin’ny tetika tokony hatao hahazahoana ny vola. Azon’izy ireo ny vola mitentina 15 Tapitrisa sy entana 15 baoritra rehefa novonoiny ilay sinoa. “6 taona niasana tao amina sinoa iray tetsy behoririka ilay tovovavy 23 taona. Mpivarotra ny asany tao. Fantany avokoa ny fiainan’ilay Sinoa mpampiasa azy. Natokisan’ilay Sinoa tokoa izy ary nampitady azy mpiasa vaovao hanampy azy ireo amin’ny fivarotana entana. Nahita mpiasa vaovao miisa roa ilay tovovavy. Namany ihany ireto mpiasa nampidiriny hiasa ireto » hoy ireo mpivarotra hafa nanodidina azy ireo. “Nataon’izy ireo tao anaty gony ny fatin’ilay sinoa mba tsy hisy hamantarana azy. Efa nisy mpitondra sarety mpiray tsikombakomba ihany koa nitondra ny razana teny Ampitatafika” hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Polisim-pirenena. “Matetika olana akaiky tahaka ireny ihany no mahavita mamadika. Tsy lavitra ny lasibatra foana ny olon-dratsy” hoy i Feno, mpianatra lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Efa voasambotra avokoa ireo olon-dratsy nahavanon-doza amin’izao fotoana izao. Nampidirina vonjimaika eny Antanimora ilay tovovavy raha toa ka eny Tsiafahy kosa ny namany.

Laisser un commentaire