RN2 : Mitohy ny asa fanatsarana ny tetezana ao Moramanga
Hisy ny fampiatoana ny fifamoivoizana ao amin’ny tetezana PK 108+600 Moramanga manomboka ny 2 febroary. Misy ny asa fanatsarana izay tsy maintsy tanterahina any an-toerana.
« Mampilaza antsika mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa izahay. Hisy ny fiatoan’ny fifamoivoizana noho ny asa fanamboarana atao ao Moramanga » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy. « Mila fanamafisana sy fenoina ireo banga eo afovoan’ny tetezana. Tsy maintsy atao izany ho fanatsarana ny fotodrafitr’asa » hoy ny teknisianina manamboatra azy.
« Betsaka ny mampiasa ity lalana ity. Ekena ary ilaina ny fanatsarana mba hisian’ny fotodrafitr’asa maharitra. Hirariana anefa ny hahavitany haingana » hoy i Lanto, mpitatitra sy mpampiasa ny lalana. Tsara hatrany ny manaraka ny fandaminana ho fitsinjovana ny maro. Mila maharitra kely tokoa raha te hanana ny soa.
Nicole Rafalimananjara
