Toliara: Nitrangana famonoana olona
17 oktobra; Lehilahy iray no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibihana tao an-tranony; tao amin’ny fokotany Besakoa Toliara. Tamin’ny sabotsy izy no nisy namono; saingy ny alatsinainy teo kosa vao hita ny fatiny. Efa mandeha ny fanadihadihana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
